Ankadindambo : Ilay fokontany kely indrindra ao Ambohimangakely
Ankadindambo no anisan’ny fokontany kely indrindra raha ao antin’ny kaominina Ambohimangakely, 10 km miala ny renivohitr’i Madagasikara no misy azy, ary amin’iny lalam-pirenena fahafito iny no ahitana azy.Amin’ny maha kely indrindra azy amin’ireo fokontany 18 ao Ambohimangakely dia 28 ha eo ho eo ny velaran-taniny. Fokontany 6 no manodidina azy. Misy ifandraisany amin’ny vohitr’Alasora koa ny nahatonga ny anarany. Samy eto Avaradrano daholo ihany izany.Ankazonandriampianianana no anarana niantsoana io tanàna talohan’ny fotoana nanjakàn’ny Andriamanelo, ary izy kosa no nanova ny anaran-toerana ho Ankadidambo taty aoriana, arak’izay anArany izay dia misy ifandraisany amin’ny anaran’ny mpanjaka Ralambo arak’izany ny anaran-tanana.Raha ny fitantaran-dRandafy, mpahay tantara, dia « niainga teny Alasora ny tantara. Fahiny raha nitondra vohoka ny vadin’ny mpanjaka Andriamanelo, izay nonina teo Alasora ,dia tsy nahazo zaza foana izy, na teraka kely dia maty ilay zaza. Tamin’izy bevohoka an-dRalambo kosa dia nanam-pakevitra ny hanantona ombiasy izy, ka nanontany izay toera na tokony hiterahan’ny vadin. Teo no nilaza ny ombiasy fa mianavaratra mihatsinana no mety, sady teny no mbola tsy nadehanana. Tamin’ny andro niterahana dia nijanona teo Ambohibaoladina ny mpanjaka sy ireo mpanompony ary nanomboka nihetsi-jaza ny mpanjaka vavy, tamin’iny fotona iny indrindra no nisina lambo nitsoriaka nandalo, ary rehefa nenjehina dia tratra teo Ankazonandriampianianana, ary novaina ho Ankadidambo ny anaran-toerana raha to aka natao hoe “Ralambo” mihitsy ny anran’ilay zaza ».Vakoka iray mbola mipetraka ho tantara ho an’ny mponina ihany koa ny vavahady eo amin’ny fidirana ny tanàna. Raha ny fitantaran’i Jacques, mponina ao an-tanàna, mantsy dia « manamarika ny resaka vintana izy io ary indrindra ilay vintana mahery sy manahiran indrindra teto Madagasikara dia ny “Alakaosy” izany, rehefa misy zaza teraka alakaosy dia nitadiavana vahaolana izany hanovana zy, ary isan’izany nonilaina ity vavahady ity, apetraka eo amin’ny vavahady ny zazakely teraka alakaosy ary avoaka daholo ny omby rehetra ao an-tanàna, raha toa tsy voahitsaka ilay zaza dia nivadika izay ny vintany, fa raha toa kosa ka maty voahitsaka dia mitondra vitan-dratsy izy izay ».Vohitra fito no mandrafitra azy ary samy manana ny tantarany, toy ny Ankazonandriana izao, dia toerana fialan’ny andriana sasatra, eo ambodihazo ary mitazatazana ny vohitr’Imerina rehetra.Toerana eto Antananarivo, ato anatin’ny disrikan’Avaradrano izy, ary ahitàna olona mpamboly maro ao an-toerana, eo koa ny mpiompy omby sy ankoho amam-borona, mamboly vary be koa izy ka izay no anhatonga ilay he Ambarialoha.Efa tanàna feno trano izy ary ny zotra makany Ambohimanagakely no andehanana raha toa ka ho any, toerana efa tongan’ny Jirama koa izy ary afaka manantateraka zavatra maro izany rehefa any, ny tanàna naefa dia mbola hitàna tanim-bary sy toerana maintso azao hakana tso-drivotra tsara mihitsy.Raha ho an’avaradrano manonkana dia manana toerana maro dia maro mahaliana izy, ary tombony ho azy koa ny fananany ny ampahany amin’ny ankamaroan’ny tendrombohitr’Imerina izay mandrafitra azy. Ambohimanagakely, izay ahitàna ny fokontany Ankadidambo izao dia isan’ireo toeran nanana ny tantarany teto Imerina mihitsy. Azonao atao tsara mihitsy arak’izany ny mitety ireo toerana manan-tantara rehetra eto Avaradrano.
Lovasoa Tojonirina
