ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nisy ny fivoriana niarahana tamin’ny solotenam-panjakana teny ifotony sy ny fokontany

Nisy ny fivoriana izay notanterahina tao amin’ny fokotany Antanetibe, kaominina Ankadikely Ilafy ny faran’ny herinandro lasa teo, izay niarahan’ny ben’ny tanàna ao an-toerana sy ireo avy ao amin’ny fiadidian’ny kaominina ary ireo sefo fokontany 18 mandrafitra ny kaominina. Araka ny voalaza, nandritra ny fivoriana no nanaovana ny tatitra sy fifanakalozam-baovao. Nisy ihany koa ny fakan-kevitra ary indrindra ny fanaovana tomban’ezaka hahafahana manatsara ny paik’ady amin’ny fampandrosoana.

« Voaresaka manokana nandritra ny fihaonana, ny fitantanana ny fanadiovana ny tanana, ny fandriampahalemana, ny fahasalamana, ny hetra sy manodidina azy, ny fampianarana ary ireo lafin-javatra maro izay mahakasika mivantana ny fiainanan’ny mponina eny ifotony amin’ny ankapobeany. Tanjona hatrany ny hisian’ny firindrana sy fandaminana eo amin’ny samy tomponandraikitra ho tombotsoan’ny vahoaka tantanina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.

“Ilaina ny fiaraha-midinika tahaka izao hahafahana manao jery todika sy mitondra vahaolana ho an’ny mponina eny ifotony. Maro ireo hetahetan’ny mponina mbola mila henoina ary hitondrana vahaolana. Tokony hisy asa araka izany aorian’izao fivoriana izao, mipaka eny amin’ny mponina » hoy i Elysé, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Ny fiaraha-mientan’ny rehetra, miainga eny amin’ireo fokontany sy ireo sehatra samihafa mandray anjara amin’ny sosialim-bahoaka ary ny avy eo anivon’ny kaominina no hahafahana mampandroso ny faritra iray. Tsy tokony hatao ambanin-javatra araka izany ny fanaovana dinika ho an’ny asa fampandrosoana sy ny fifanantonana tahaka izao.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire