ActualitésTsidika

Kaominina Tanjombato : Mangataka ny ben’ny tanana mba hamerana ny fivezivezen’ny kamiao .

Mba hikajiana ny lalana dia misy ny fandraisana andraikitra ataon’ny kaominina mba hikolokoloana ny fananam-bahoaka. Efa an-jatony mahery ny kamiao mivezivezy amin’ny lalana RN7 iny. Manafaingana ny fahasimban’ny lalana anefa izany raha tsy misy ny fandraisana fanapahan-kevitra hentitra. « Manao antso avo amin’ny Ministeran’ny Fitanterana sy ny Police Nationale, Aleo tsy mandalo aty amin’ny Commune Tanjombato itony fiarabe itony ( plus de 10t) Fa mba aorinan’ny 8 ora ALINA vo afaka mandalo ,Sady manimba lalana no manelingelina fifamoivoizana ,Misaotra indrindra tompoko amin’ny Fandraisana handraikitra » hoy i Tovo Rakotojohary, Ben’ny tanana,Kaominina Tanjombato, Distrika Antananarivo-Antsimondrano.

Entina hanatsarana ny fivezivezena sy fikojakojana ny lalana ny antony ny fangatahana. Anisan’ny tanana ahitana orinasa be dia be ny Kaominina Tanjombato. Betsaka araka izany ny fiara vaventy izay mampiasa ny lalana isan’andro. Nefa tokony jerena akaiky ihany koa ny fikajiana ny  foto-drafitr’asa. Etsy andaniny anefa miteraka fitohanana eny faritra manodidina iny ny fivezivezen’ny fiara vaventy . Tokony misy araka izany ny fifampiresahana eo anivon’ny ministera sy ny kaominina voakasika. « Zava-dehibe ny fandraisana  fanapahan-kevitra manoloana ny tranga toy izao. Tokony  hisy ny marimaritra hiraisana mba hitandroana ny kalitaon’ny lalana tsy ho simba. Tokony mba hifampitsinjo ny mpamily rehetra mba hanana foto-drafitr’asa maharitra sy mateza. Tsy ny kaominina irery ihany no hahazo tombotsoa amin’izany fa hahazo izany daholo ny mpitondra fiara madinika. » hoy George, olon-tsotra, mampiasa iny lalana iny.

Erwan RAN

Laisser un commentaire