Actualités

Ethiopie : 80 no maty tamin’ny fanafihana tao Benishangul-Gumuz.

Olona 80 no namoy ny ainy tamin’ny talata 12 janoary lasa teo tany Ethiopie, tamin’ny fanafihana vaovao tany andrefan’ny firenena, tao amin’ny faritr’i Benishangul-Gumuz, hoy ny filazan’ny vaomiera momba ny zon’olombelona (EHRC) tamin’ny alarobia. Ao amin’ity faritra ity, miorina eo amin’ny sisin-tany manasaraka an’i Ethiopie sy Soudan, dia nisy famonoana olona marobe efa nitranga tato anatin’ny volana vitsivitsy.

Fanafihana iray natoa tamin’ny 23 desambra teo andrefan’ny firenena no namoizana ain’olona 200 mahery. Raha ny filazan’ny mpitarika ny mpanohitra ao an-toerana dia antony ara-poko no nanosika azy ireo hanao izany. Nanjary lohahevitra ny vono olona i Ethiopie andrefana tao anatin’izay volana maromaro izay. Ny Oromo sy ny Amhara no olona be indrindra mipetraka ao amin’ity faritra ity, ary ny Shinasha.

Laisser un commentaire