ActualitésTatitra

Afrique du Sud : Eudy Simelane, novonoina satria « lesbienne »

Teraka ny 11 mars 1977 ary maty ny 28 aprily 2008 i Eudy Simelane, mponina ao KwaThema Afrika Atsimo ary niavaka noho ny maha « lesbienne » azy. Izy no vehivavy nahasahy niseho voalohany tao Afrika fa « lesbienne », izany hoe vehivavy izy ary tia sy miaraka amina vehivavy ihany koa. Mpilalao baolina kitra tao Afrika Atsimo izy.

Mbola tsy ankasitrahan’ny mponina any an-toerana ny fiarahana amin’ny mitovy fananahana, ka anisan’ny nitarika ny famonoana azy. Tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka no namonoana azy satria dia naolana lehilahy maro sy notsindromina antsy ny tarehiny sy ny tanany ary ny feny. Noho ny fankahalan’ny olona ity sehatra iray ity no tena volaza fa antony namonoana azy tamin’izay fotoana izay.

Ny taona 2009, herintaona taorian’ny nahafatesany anefa, vao natao ny fitsarana ireo meloka ka nisy tamin’izany ireo nampidirian am-ponja nandritra ny fotoana ela, nisy ireo migadra mandra-pahafatiny ary nisy kosa ireo izay afaka madiodio.

Laisser un commentaire