ActualitésTsidika

Polytechnique Vontovorona : Mitady ny fomba rehetra azahoana angovo

Fiarovana ny tontolo iainana, fanadiovana ny tanàna, ary fanomezana hazavana sy filaminana amin’ny tanàna, izany no voka-tsoa entin’ity fikarohana nataon’ireto mpianatra Malagasy ireto. Mnankarena manam-pahaizana i Madagasikara.

Anisan’ny fikarohana nataon’ireo mpianatra ao amin’ny polytechnique Vontovorona, lalam-piofanana « Genie électrique » ny fanodinana ny fako ho lasa angovo. Afaka mamatsy ny tanànan’Ampirika Ambohitrimanjaka iray manontolo mihitsy izany angovo izany. Mila zezi-pako 82,5 kg isan’andro izy ireo mba ahafahana mahazo angovo 30kw isam-bolana. Sady mahazo zezika ihany koa anefa. Mahavokatra ilay tanàna no sady miompy ary mamatsy an’Antananarivo.

Mitentina 200 tapitrisa mahery isan-taona ny vola ilain’izy ireo hanatanterahana izany tetik’asa izany ka izany indrindra no angatahan’izy ireo fanampiana amin’ny fanjakana. « Tetik’asa iray azonay antoka fa hitondra fampandrosoana an’ny Madgasikara izao hataonay izao, ny enti-manana anefa no tsy ampy aminay ka tsy hahafahanay mihetsika be loatra », hoy ireo mpianatra. Maneho ny heviny ihany koa ireo mpanara-baovao ka nanambara toy izao : « be izay tetik’asa narantiranty sy navoakan’ireo mpianatyra tao Vontovorona tao izay fa hatreto tsy hitako izay mba fanampiana entin’ny fanjakana amin’izany. Ity izao tena tsara fa sady tombontsoan’ny be sy ny maro, miandry indray izay fandraisana an-tanana avy amin’ny fanjakana aloha izany », hoy i Mandresy.

Maro ireo manam-pahaizana nivoaka avy eny Vontovorona ary mpianatra maro no manana ny mari-pahaizana Master eny fa saingy tsy ampy ny tosika omena ireo mpianatra ireo ka izao izy na manana tetik’asa sy vina aza mijanona ho fikarohana fotsiny ihany ireny. Raha te hampandroso an’ny Madagasikara anefa dia ny voaktra eto antoerana aloha no omena lanja kokoa ahafahany mivoatra hatrany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire