Seychelles : Mangataka ny fanohizana ny fiasana ampitain-davitra ireo mpiasa
Toy ny firenena maro dia mpiasa maro tao Seychelles ihany koa no niasa nampitain-davitra nandritra ady tamin’ny valan’aretina Covid-19. Lasa fahazarana ho an’izy ireo nefa izany ka amin’izao fotoana dia mitady fampiraharaha ny amin’ny fampiharana izany amin’ny am-pahany indray izy ireo. Manoloana izany dia hisy ny fifampidinihana nasionaly atao miaraka amin’ireo mpampiasa amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina hoy ny minisiteran’ny asa ao an-toerana.
Haverina dinihana mandritra izany ny ora fiasana, ny asa amin’ny faran’ny herinandro, ny asa alina, ny « rythme » ary ny fialam-boly ny raha ny fanazavana. Teboka anisany antony ary ho resahana betsaka mandritra izany ihany koa nefa ny asa ampitain-davitra.
Hiara-hiasa amin’ny birao iraisam-pirenen’ny asa ihany i Seychelles manoloana izany. Vondrona mifandray amin’ny firenena mikambana mantsy izy ireo izay handefa manam-pahaizana hanampy ny sendikà sy ny fikambanan’ny mpampiasa amin’ny fananganana rafitra vaovao sy malalaka kokoa.
