Ambohimanambola : Nitondra ny anjara biriky tamin’ny fambolen-kazo ny klioban’ny Black 7M
Nitondra ny anjara biriky amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, tamin’ny alalan’ny fambolen-kazo ny klioba mpilalao baolina kitra, avy ao Ambohimanambola. Ny faran’ny herinandro teo no nanatanteraka fambolen-kazo tao Antanetibe Ambohimanambola ny klioba, raha ny voalaza.
« Adidy lehibe amin’ny fikajiana ny tontolo iainana, na amin’ny maha tanora sy mpanao fanatanjahantena ny fandraisana andraikitra amin’ny fambolen-kazo tahaka izao. Izay nahatonga ny klioba, nitondra ny anjara biriky ho fiarovana ny tontolo iainana » hoy ny mpitantana ny klioba.
« Amin’ny maha tanora dia zava-dehibe ny fambolen-kazo ary adidy tokony ataon’ny tsirairay izany. Mba tsy ho tany ngazana sy rivotra maloto no hiainana aoriana kely ao » hoy i Angelo, mpilalao ao amin’ny klioba.
Manana adidy sy andraikitra amin’ny tanindrazana, dia ny fiarovana ny tontolo iainana avokoa ny olona rehetra ; indrindra amin’izao fotoana mampiseho ny vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana izao. Ny fandraisana an-tanana sy fahatsapan-tena amin’ny fiarovana ny tontolo ankehitriny tokoa no antoka hananan’ny taranaka tontolo milamina sy mirindra.
Manitra R.
