ActualitésTsidika

Fisolokiana : Fomba sy endrika fisolokiana maro no ataon’ireo mpanao ratsy

Mpisoloky ho mpivarotra volamena tra-tehaky ny Polisy tamin’ny asa ratsiny. Efa maro ny fomba hataon’ireny mpisoloky ireny hitadiavana vola sy hamitahana ny vahoaka madinika.

Toy izao indray ny fomba fiasan’ireto olon-dratsy ireto. Mitady fanampiana amin’ny olona izay mandalo izy ireo fa misy vazaha hividy ny volamenan’izy ireo ka milaza fa tsy mahay miteny vazaha ireto mpisoloky ary mitady mpandika teny. Tsy fantatra moa na mampiasa izany hatao hoe fandrekirekena izany izy ireo fa noresen’ilay mody hoe vazaha lahatra ihany koa ity ramatoa ity hanome « avance » ireto mpisoloky mba hitazomana ny entana.

« Mitady ny fomba rehetra mihitsy izy ireo hahazoana vola any aminao. Izaho moa ohatran’ny tsy tompon’ny tenako intsony ka nomeko ilay vola. Rehefa nojerena anefa ilay hoe volamena dia fasika no tao ary ireo olona mpisoloky efa tsy hitako intsony », hoy ity ramatoa niharan’ny fisolokiana ity tamin’ny fanzavana. Nisafidy ny tsy hitononana anarana moa izy hitandroana ny ainy.

« Tsy mijanona fotsiny amin’izao na matahotra inona rehefa voasoloky fa ilaina hatrany ny manatona mpitandro filaminana mametraka fitoriana mba ahafahana misambotra ireny olon-dratsy ireny ka tsy hiverenan’ny zavatra toy izao intsony », hoy ny Polisim-pirenena misahana ny heloka be vava Anosy.

Tratra moa ireto mpisoloky roa lahy ireto rehefa nametraka fitoriana ilay ramatoa. Ilaina hatrany ny fahamailoana manoloana ny zavatra rehetra mety hitranga eo amin’ny fiaraha-monina. Tsy ilaina ny miavona kanefa raha tena olona mampiahiahy dia aleo miavona ihany aloha hiarovana ny aina sy ny fananana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire