ActualitésTsidika

Alasora : Noezahana narindra ny fitaterana  

Tontosa ny Sabotsy 09 aprily teo ny fivoriana mikasika ny fitaterana ao Alasora izay notarihan’ny Kaominina. Betsaka ireo fiovana sy fanatsarana noraisina tamin’izany.

« Nalefa ny antso ho amin’ity fivoriana miaraka amin’ny tompon’andraikitra ity. Tapaka nandritra ny fivoriana fa tsy miandry ho feno vao miainga ireo fiara satria mbola maro ireo olona eny an-dalana. 5 Minisitra ny elanelana amin’ny fotoana maha be olona ho an’ny kaoperativa Socomatra sy ny Komi. Ny zotra F Ampangabe dia hifindra eo Mausolée, ary ny Zotra F Ambohimarina dia arahi-maso tsy hiodina eo ambohitanety intsony » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Alasora.

« Misy aloha ny andrana atao ao anatin’ny iray volana. Miezaka hatrany manatsara ny asa ho an’ny vahoaka isika mba hisian’ny fandrosoana. Voaray avokoa ireo taratasy fitarainana narahina sonia marobe » hoy ny ben’ny tanàna ao Alasora, Randriantsoa Jimmy. Ho avy tsy ho ela ny fihaonana eo amin’ny kaominina sy ny ATT ary ireo Kaoperativa. Ilaina hatrany ny fitoaniana avy amin’ny mponina sy ny fanarahan’izy ireo ny fandaminana efa napetraka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire