ActualitésTatitra

Chine : Olona manan-karena indrindra ao Asie i Zhong Shanshan

Teraka ny volana desambra 1954 tao Zhuji tao Shaoxing, Zhejiang i Zhong Shanshan. Mpandraharaha sy mpanefoefo manana amina miliara ny tenany. Nanangana sy mitantana ny orinasa « Nongfu Spring » izy izay orinasa mpamokatra zava-pisotro lehibe indrindra ao Chine.

Tompon’ny orinasa mpamokatra fanafody goavana ao Chine « Wantai » ihany koa i Zhong Shanshan. Ity farany no lehilahy manan-karena indrindra ao Chine ary nanomboka ny taona 2022 dia voasokajy ho olona manan-karena indrindra ao Asie izy. Ny volana janoary 2021 kosa dia nihoaran’i Warren Buffett ka lasa olona fahaenina manan-karena indrindra eran-tany i Zhong Shanshan.

Laisser un commentaire