Alasora : Hisy ny tournoi du maire lalao fanorona 2022
Hisy ny lalao fifanintsanana tournoi du maire fanorona 2022 ny 03 aogositra sy 04 aogositra 2022 ho avy izao. Ao amin’ny kianja maintso Alasora no hanatanterahana izany manomboka amin’ny 08 ora maraina. Marihina fa efa misy isan-taona ity hetsika ity.
Mitohy hatrany ny fisoratana anarana eny anivon’ny kaominina Alasora ho an’ireo izay vonona handray anjara amin’izany. Fanamarinam-ponenana sy dika mitovy ny CIN ny taratasy ilaina amin’izany, ary tsy maintsy mponina Alasora ihany koa ireo rehetra mandray anjara amin’izany hoy ny tompon’andraikitra. Mizara roa ny sokajy handray anjara amin’izany, ao ireo efa matianina ary ao kosa ireo izay vao misantratra. Hisy ny fihaonana ho an’ireo izay rehetra mandray anjara amin’izany ny 31 aogositra 2022 ao amin’ny efitrano filanonana na « salle de mariage » ao amin’ny kaominona amin’ny 02 ora tolakandro. Ny dingana famaranana dia tontosaina ny 10 sy 11 septambra 2022 ho avy izao.
Natao izao hetsika izao mba hanandratana hatrany ny lalao Malagasy.
Sary Fanehoana
Famenontsoa Rajerison
