Lalàna vaovao mifehy ny serasera.
Tsy mbola mahazo sehatra eto amintsika ny fanalalahana ny asa fanaovan-gazety. Efa betsaka ireo tolona natao sy ny fitarainana nalefa teny amin’ny fanjakana mikasika azy io. Nisy tokoa mantsy ny fanenjehana ny mpanao gazety na ny fanagadrana azy ireo mihitsy aza. Olana eo amin’ny fanaovan-gazety ihany koa ny fahazahoana ny loharanom-baovao sy ny tsy fahalalana ireo lalàna mifehy ny serasera. Nisy araka izany ny hetsika nataon’ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina izay tarihan’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy mikasika izany olana izany. Nampahafatarina tamina orin’asan-tserasera maromaro misy eto amintsika ny lalàna mifehy ny haino vaky jery indrindra ny lalàna tsy hisian’ny fanagadrana ny mpanao gazety intsony raha voaheloka tamin’ny asany izy. Eo ihany koa ny lalàna amin’ny fahazahoana ny loharanom-baovao ka ny volana may ho avy izao no hanolorana azy eo anivon’ny parlemanta. Manampy amin’ny fahazahoana vaovao ity lalàna ity raha ho an’ny mpanao gazety manokana hoy hatrany ny Minisitra. Loharanom-baovao atokisana no ilaina mba hiampitan’ny vaovao marina amin’ny vahoaka. Betsaka ny loharanom-baovao azo atolotra fa ny fahamarinany no samy hafa, matetika io no manahirana ny mpanao gazety ka voatery miroso amin’ny famakafana lalina izy. Malalaka amin’izay vaovao alefany ve izany ny mpanao gazety ka tsy hisy intsony ny fanagadrana ? Azo inoana ve fa tsy hisy intsony ny fandikana hafa ny vaovao iray ka ho vaovao mitovy no azon’ireo mpanara-baovao manerana ny nosy ?
Nicole Rafalimananjara
