Ny vahaolana amin’ny fahantrana no mila jerena miaraka.
Tsy vao ela akory izao ny avy ao amin’ny antoko mpanohitra no nangataka ny hisian’ny fiovan’ny rafitra eto amin’ny repôblika ka tsy mahandry intsony ny fifidianana amin’ny 2023. Nambarany fa miaina anaty fahantrana loatra ny vahoaka kanefa tsy hita izay tena vahaolana entin’ny fanjakana ary eo ihany koa ny fanaparam-pahefana misy ka na ny demôkrasia aza tsy hita intsony. Nanambara ny zoma 12 martsa teo ny avy amin’ny antoko UNDD fa tsy vahaolana ny fanonganam-panjakana ary tsy mahasoa ny firenena ny fifandirana amin’ny tsy fitovian-kevitra. Tokony miara-mientana ny antoko rehetra mba hanarenana ny firenena, ny firaisan-kina araka izany no tena ilaina. Ny krizy no mila jerena akaiky sy hitadiavana vahaolana haingana na dia eo aza ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny mpitondra sy ireo antoko mpanohitra. Manao antso avo amin’ny hisian’ny fifandraisana hahafahana miray hina hanavotra an’i Madagasikara araka izany izy ireo. Mankalaza ny faha 30 taonany amin’ity taona ity ny fikambanana izay naorin’ny Pr Zafy Albert. Tsy ilaina tokoa ny ady sy ny savorovoro misy amin’izao, tsy mitondra antsika makaiza akory izany. I Madagasikara mandroso no tanjona ka tsy tokony hijerena tavan’olona intsony ity fa izay disadisa nisy taloha no aoka haravona ka hiara hihentana isika rehetra. Marina fa misy ny tsy fitovian-kevitra sy ny fomba fijery kanefa izany indrindra no tena ilaina mba hahitana ny fampandrosoana amin’ny lafiny maro.
Nicole Rafalinamanjara
