Manandriana: Nitondra fanampiana ho an’ireo mponina ny avy amin’ny fanjakana
Nirotsaka teny ifotony, namaly ny antso sy ny fitarainan’ireo mponina ao amin’ny kaominina Manandriana, izay simba sy rava fananana vokatry ny avandra tao an-toerana, ny voalana mey teo. Nanampy sy nanome tohana ihany koa ny avy amin’ny fanjakana niaraka tamin’izany araka ny voalaza.
“Namely mafy ary tena namela takaitra maro ny vokatry ny avandra niseho iny. Raha nojerena dia tena tsy mpiseho mahazatra no tampoka satria araka ny hita ireny nandoaka tafo trano mihitsy ny habeany. Hisaorana ny tomponandraikitra moa tonga nanohana satria tena mafy ary faty antoka ho an’ny tantsaha ny vokatr’izany” hoy i Vero, mpamboly.
“Rehefa naharay ny fitarainana avy amin’ireo mponina tokoa izahay dia tonga namely ny antso satria hita tokoa fa tena sahirana ny mponina taorian’ireny loza voajanahary ireny. Ka tonga nitondra izay fanampiana ho fanohanana azy ireo” hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny antenimieran-doholona.
Tsiahivina fa simba sy potika 100% ny fambolena sy ny voly avotra tao amin’ny kaominina Manandriana. Entana ilaina andavan’andro, ny fitaovam-pambolena sy zezika, ny masomboly ireo moa no natolotry ny avy amin’ny ministeran’ny fambolena sy fiompiana, tao ihany koa ny avy amin’ny antenimieran-doholona sy ny distrika tamin’izany.
Manitra R.
