SocialTsidika

Ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanarenana indray ny tontolo iainana ny ala indrindra amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Manana anjara asa lehibe manoloana izany fanjakana amin’ny alalan’ny paikadim-pirenena. Noho izany notanterahina ny 30 Martsa lasa teo ny atrikasa faharoa ny Ministeran’ny Tontolo Iainana tamin’ny alalalan’ny BNCCREDD+. Noresahana nandritra izany ny mahakasika ny fandrafetana ny paikadim-pirenena hiatrehana ny fiovan’ny toetrandro amin’ny sehatry ny ala. Atrikasa ivondronan’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpisehatra rehetra amin’izany ala izany ary niarahana niasa tamin’ny « Conservation internationale » ny fanatanterahana azy. Mbola anatin’ny fanatanterahana ny CBIT na ny Fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra hatrany moa izao asa izao. Ity asa ity izay famatsiam-bola avy amin’ny Tahirim-bola ho an’ny tontolo iainana maneran-tany ary koa mba hanatanterahana amin’ny mangarahara ny fifanarahana tany Paris. Tsy ny ministera irery anefa no tompon’andraikitra amin’izany fa isika vahoaka, raha ny tena zava-misy aza ny vahoaka no mandripaka ny ala sy manimba ny tontolo iainana dia ny Ministera no manarina izany. Tokony olona ifotony araka izany no mila tonga saina voalohany amin’ity resaka tontolo iainana ity izay loharano niavian’ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire