ActualitésTsidika

Ivato : Efa tonga eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ny fitaovana teknolojia avo lenta

Efa tonga eny Ivato ny fitaovana teknolojia avo lenta hanamafisana ny fiarovana sy hanatsarana ny fiarovana ny sisin-tany. Ny fanofanana ireo tompon’andraikitry ny fadin-tseranana izay hikirakira azy sisa no dingana farany mbola mila atao ; fiofanana izay kasaina hatao araka izay haingana.

Marihina fa mbola ny « scanner Smith Détection » izay efa nampiasain’ny Fadintseranana teny amin’ny seranana taloha no mbola miasa an’izao fotoana. Rehefa vonona ny rehetra dia ho ampiasaina amin’izay ny DS3 rapiscan, ho fanamafisana ny fiarovana. Hisy tsy ho ela ao Ivato ihany koa ny « Centre de surveillance » an’ny Fadintseranana, ho ampiana fampitaovana « bodyscan » miisa 11 isa ho entina hanamafisana izany fiarovana ny sisin-tany izany, izay toromariky ny Filohan’ny Repoblika.

Laisser un commentaire