ActualitésTsidika

Fanabeazana : Mpampianatra miisa 10 000 no ho raisina mpiasam-panjakana

Hisy ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana miisa 10 000 amin’ity taona ity ho an’ny Ministeran’ny fanabeazana ka ho tsinjaraina manerana ny Nosy izany. Tsy miova ny fepetra handraisana ireo mpampianatra fa mitovy ny tamin’ny taona lasa ihany dia ny fananana ny CEAP sy CAE ary ny fahalavan’ny fotoana niasàna.

Efa eo andalam-pikarakarana ny « vacation » 2018-2019-2020-2021 tsy maintsy voaloa amin’ity taona ity avokoa raha ny nambaran’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Efa mikirakirana ny famoahana izany ireo tompon’andraikitraamin’izao fotoana.

Laisser un commentaire