Fitateram-bahoaka zotra rejionaly : Mila mahazo fahazoan-dalana ireo zotra voatokana
Nanao fampandrenesana ny ATT fa fiara fitateram-bahoaka rehetra izay hanao zotra voatokana (spécial) ka hiala amin’ny zotra mahazatra azy dia mila maka fahazoan-dalana any amin’ny ATT. Manoloana izany dia hisy ny birao manokan’ny ATT hatsangana hanome io taratasy io.
Ny Zandarimaria kosa no hanara-maso ny antontan-taratasy rehetra ampiasain’ny fiara mba hialana amin’ny fihoaram-pefy sy fanararaotana. Marihina fa fepetra efa fantatry ny mpitatitra rehetra izany fomba fiasa izany saingy misy ireo minina tsy manatanteraka ka ho entitra ireo tompon’andraikitra.
