Ambomangakely : Manentana ireo mponina mba hanaja ny foto-drafitr’asa
Nisy ny foto-drafitr’asa vita tao amin’ny fokontany Ankadindambo kaominin’Ambomangakely ny herinandro lasa teo, toy ny lalankely sy ny làlana mirefy 450m ary ny lakandrano eny an-toerana. Efa nisy ihany koa moa ireo foto-drafitr’asa izay efa vita soamantsara teo aloha.
Natao izany tetik’asa izany ho entina hanatsarana ny tànana. Izy ireny moa dia fananana iombonana ho an’ny vahoaka ka manentana ny mponina sy ireo izay mampiasa zany làlana izany mba hanaja sy hikolokolo ireo foto-drafitr’asa ireo. Izany foto-drafitr’asa izany moa dia niarahana niasa tamin’ny kaominina Ambohimangakely fa manantitra ny fisaorana hatrany hoy ny sefom-pokontany. Hirariana mba hitohy hatrany asa fanatsara eny anivon’ny fokontany.
Famenontsoa Rajerison
