PolitiqueTsidika

Aiza ho aiza ny famatsian-drano any Atsimo ?

Manamafy ny laharam-pahamehan’ny fampandrosoana marina ny faritra Atsimo ny Fanjakana. Mitodika amin’ny fanatanterahana ny tetikasa « Emergence Sud » amin’ny alalan’ny fitsidihana asa notanterahina tany amin’iny faritra iny. Hisy fanatsarana ny rafitra famatsiana rano madio any amin’ny Faritra Atsimo.

Raha ny toromarika nomen’ny Ministra Ladislas Adrien Rakotondrazaka, hisy fanovana ny rafitra fanantanterahana izany tetikasa izany. Izany fanapahan-kevitra izany dia vokatry ny fanadihadihana nataon’ireo teknisiana nanritra ny fitsidihana natao tao amin’ny « site de captage » ao Efaho-Andakana izay faritra tratry ny kere noho ny haintany. Nambaran’ny ministra tamin’ny fitsidihana nataony fa hametraka vondrona mpitantana sy ekipa teknika hisahana ny tetikasa any an-toerana mba hahafahana mitantana ny fandrosoan’ny asa amin’ny alalan’ny fanaraha-maso maharitra ary ihany koa ampihatra faran’izay haingana ity tetikasa famatsian-drano any Atsimo ity.

Ity tetikasa ity dia mikasa hamatsy rano amin’ny alalan’ny fantson-drano na pipelines hoan’ny tanana miisa 60 ao amin’ny tananan’Andranogoa ao Ambovombe sy eny amin’ny manodidina azy. Etsy ankilany izay, nanambara ny teknisian’ny Unicef, mpiara-miasa amin’ity tetikasa ity fa efa nametraka paompy mamatsy rano na « surpresseur » mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro amin’ny iny lalan’ny tanana iny izy ireo mba hampitony ny fikorian’ny rano isaky ny « terminal ». Nanatanteraka fandavahana amin’ny alalan’ny paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro amin’ny faritra maro ivelan’ny lalan’ny fantsona (pipelines) ihany koa izy ireo. Tanjona amin’izany ny hahafahan’ny monina misitraka rano fisotro madio mandava-taona. Manamafy ihany koa ny Governor any faritra Androy, Soja Lahimaro Tsimandilatse tamin’ny fidinana maro samihafa nataony fa ny tsy fisian’ny rano no antony iray lehibe mahatonga ny olan’ny mponina any atsimon’i Madagasikara ary ny tetikasa toy izao no hanampy amin’ny fanafoanana ny kere any Atsimo.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire