Ambohimangakely : Mitaraina amin’ny fahalotoan’ny tanàna ny mponina
Mitaraina ny amin’ny haloton’ny tanàna ny mponina ao Ambohimangakely, tsy misy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny fanjakana ny amin’ny fanenjehana izay mandoto tanàna. Ny marainan’ny 31 aogositra izao nisy nanary fatina baoritra sy entana efa simba efa ho iray fiara tany Ambodivoara. Mitaraina ny mpandalo sy ny manodidina fa maloto ny toerana.
« Tsy mahalala ny tokony ho atao ny mpandoto tanàna, ny tompon’andraikitra koa tsy mandray fepetra entitra » hoy i Christina, mponina eny amin’ny manodidina. « Tsy ny fanjakana no andrasana vao madio ny tanàna, samy tompon’andraikitra ny tsirairay ary samy manao izay tandrify azy, afaka mifampiteny isika vahoaka raha misy iray mandoto tanàna, samia saro-piaro amin’ny tontolo iainana » hoy i Rufin, mpampianatra. « Ndao hiara-hientana amin’ny fanadiovana sy ny fanentanana amin’ny fahadiovana isika rehetra fa tsy hiandry ny tompon’andraikitra avy amin’ny kaominina, ny fahasalamantsika no andeha tena hojerena far aha ny kaominina, inona no idirany ? Rehefa miasa sy manao asa izy dia efa ampy azy izay » hoy i Velosoa, mponina any Ambohimangakely.
Hiaraha-misitraka ny fahadiovana ka tokony samy handray ny andraikitra tandrify azy ny rehetra, tsy ny avy ao amin’ny fanjakana noho izany no antsoina hoe tompon’andraikitra fan a isika mitaraina io aza dia efa tompon’andraikitra. Inona andrasana ? Mila tandrovana ny fahadiovana ary mila entanina ny hafa avy eo.
Nicole Rafalimananjara
