Fanajariana ny renirano : Azo hivezivezena ny Canal des Pangalanes
Efa hifarana ny asa fanarenana ny Canal des Pangalanes, mirefy 654km miainga avy ao Toamasina hatrany Farafangana. Nanomboka ny volana Oktobra 2019 ny asa, ary niompana tamin’ny fanadiovana ireo faritra mainty hatrany amin’ny PK430. Nanaovana asa fanadiovana ihany koa ny PK0+600 hatramin’ny PK0+950, PK4 hatramin’ny PK4+400 ao Toamasina ary ihany koa tao Nosy Varika PK 313 sy PK 325.
Ny asa fanarenana dia nanatanterahina ny fanadiovana ny fidirana ao Mangoro, Fanatara ao Ambohitsara any atsimon’ny Nosy Varika ary tao amin’ny farihin’i Rangazavaka, PK 398. Ireo zava-maniry nameno ny 6.5km ny PK19 ihany koa dia efa voadio sy voaongotra avokoa. Nodiovina nalana ihany koa ny fasika teo amin’ny lalana 11km tao Masomeloka. Nisy ihany koa ny fambolena zava-maniry hiarovana ny sisin’ny lakandrano. Ankoatra ireo asa fanarenanana ireo, nisy asa fanesorana ireo hazo sy fandrika trondro tsy nampiasaina tao amin’ny farihin’Analampotsy ao Nosy Varika. « Miisa 7 ieo seranan-drenirano ho apetraka ary 13 ireo fiantson-drenirano ho hamboarina miaraka amin’ny fanohan’ny « Pôle intégré de croissance ». Ary ny « Agence portuaire maritime et fluviale » na APMF no isahana ny fikofakojana matetika izany lalan’ny renirano. » Hoy hatrany ny APMF manazava. Mirefy 12.5m ny sakany ary 1.5m ny halalin’ny lakanrano ankehintriny.
« Sambo milanja 40 taonina, mirefy 40m ny halavany ary 4m ny sakany no afaka mivezivezy eto amin’ny Canal des Pangalanes, izany hoe 46% ny mpitatitra an-drenirano no hampiasa ireo renirano miisa 8 matetika be mpandalo. 537 tsantsambo miasa eny amin’ny Pangales moa no nisitraka fanaraha-maso matihanina avy amin’ny APMF « Ireo asa notanterahina ireo dia mampitombo ary miantoka ny fiveloman’ny mponina izay miaina manamorona ity lakandrano ity. »hoy ny APMF manamafy. Maro amin’ireo mpiala sasatra moa no efa nivezivezy tamin’ity lalan-drano nohavaozina ity.
Hitondra fahavikirana eo amin’ny sehatry ny toekarena any an-toerana ny fanarenana sy fanavaozana ny lakan-drano izay efa 119 taona.
Sitraka Rajaonarivony
