Ankadikely Ilafy : Tsara ny voka-panadinana CEPE 2022
Tsara ny voka-panadinana CEPE tamin’ity taom-pianarana 2021-2022 ity ho an’ireo Zap miisa telo tao amin’ny kaominina Ankadikely-Ilafy. 76,69% ny taham-pahafahana tao amin’ny Zap Andrefana ; 88, 51% kosa ny tao amin’ny Zap Antsinanana, raha toa ka 83, 52% ny tao amin’ny Zap Andranovelona.
« Miarahaba ireo ankizy rehetra afaka ary mankahery kosa ireo mbola hamerin-taona. Isaorana mpanabe rehetra nahazoana izao vokatra izao » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Mahavelom-bolo toko any vokatra teto Ankadikely Ilafy. Hirariana hiakatra hatrany ny lentan’ny fanabeazana eto amintsika » hoy ny ray aman-drenin’ny mpianatra.
Rehefa miara-miezaka tokoa ny mpampianatra sy ny mpianatra dia tsara ny vokatra. Ireo mpianatra ireo tokoa mantsy no reharehan’ny kaominina rahatrizay.
Hasina Rasamimanana
