Talata Volonondry : Nahazo jiro miisa 5 indray i Amparafara
Mitohy hatrany ny hetsika fanazavana ny tanàna amin’ny alalan’ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro apetraka isam-pokontany. Jiro miisa 5 indray no napetraka ao Amparafara.
« Isan’ny paik’ady iadiana amin’ny trangana tsy fandriam-pahalemana izao atao izao. Tsara raha samy miaro sy saro-piaro amin’ireto fananana iombonana ireto isika » hoy ny ben’ny tanàna ao Talata Volonondry, Randrianirina Hobiherisaona. « Manentana hatrany ho amin’ny firaisankinan’ny mponina sy ny fiombonana ho amin’ny fampandrosoana. Tsy ho rambony fa ho voalohany amin’ny fandrosoana ity kaominina antsika ity » hoy hatrany izy.
Nanolotra fanomezana ho an’ireo beantitra sy ankizy ihany koa ny kaominina tamin’izao fandalovany tao Amparafara izao.
Nicole Rafalimananjara
