ActualitésTatitra

ONUDC : Niakatra 26% ny tahan’ny mpandray zava-mahadomelina

Niakatra 26% ny tahan’ny fandraisana zava-mahadomelina tao anatin’ny 10 taona, raha ny tatitry ny ONUDC (Office des Nations Unies contre la drogue et le crime) ny 26 jona teo. Mirongatra hoy izy ireo ny fiparitahan’ny « drogue de synthèse » sy ny famokarana « cocaïne » ary ny fiankinan-dohan’ireo manaraka fitsaboana amin’izany.

Olona 284 tapitrisa eo anelanelan’ny 15 sy 64 taona no fantatra fa efa nandray zava-mahadomelina raha ny antontan’isa ny taona 2020 teo. Miankin-doha amin’ny rongony (cannabis) ny ankamaroan’izy ireo hoy ny ONUDC. Eo amin’ny 60 tapitrisa eo no mpandray matetika « opioïde » raha 34 tapitrisa ny mpihinana « amphétamine », 21 tapitrisa kosa ny « cocaïne » ary 20 tapitrisa ny « ecstasy ».

Laisser un commentaire