ActualitésTsidika

Ambovombe : Efa miasa ny fandraisana ireo niharan’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy

Efa amperin’asa ny ivon-toerana hahafahana mitaraina sy mandray an-tanana ireo izay iharan’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy ao Ambovombe. Notokanana ny sabotsy 22 aprily teo izany. Ity faritra ity izay mbola ahitana tranga maro mahakasika izany herisetra izany. Mety hianjady amin’ny ankizy kely izany hatramin’ny olona antitra ka afaka misitraka ny servisy rehetra ny isaam-batan’olona araka izany.

« Mizara telo ny fototra hiasana ao main’ity ivon-toerana ity di any ara-pahasalamana, ny ny ara-tsosialy ary ny eo amin’ny sehatry ny lalàna. Hanamora ny fandraisana an-tanana ireo manana olana araka izany ity toerana ity satria tsy mila mitady mpitsabo na mpiahy ara-tsosialy any ivelany toy ny teo aloha intsony ireo mponina. Efa hary fitaovana tsara ny ivon-toerana ka afaka ny handray amin’ny antsakany ny manana olana », hoy ny avy amin’ireo Mpiandraikitra ny toerana.

Mbola manjaka any amin’iny faritra iny anefa ny fomba sy ny fahazarana mahakasika ny tsy fandraisana andraikitra ho an’ny vehivavy, eo ihany koa ny fanarahana izay voalazan’ny lahy amin’ny maha loham-pianakaviana azy. Misy ny ivon-toerana fa mbola asa hafa ihany koa ny fanovana ny kolontsaina sy ny fahazarana. « Ilaina ny fandraisana an-tanana ireo olona manana olana saingy ilaina ihany koa ny fandraisana andraikitra ireo hiavian’ny olana. Mila beazina amin’ny tokony fahaizana mampitovy ny saranga amin’ny tsirairay ny mponina any an-toerana. Ankoatra ny fanabeazana dia eo ihany koa ny fanentanana isan-karazany tokony hatao amin’ireo mponina ireo, voaray amin’izany avokoa na lahy na vavy », hoy i Veronique, mpitsabo sady mpandinika fiaraha-monina.

Marihina moa fa ankoatra ny toerana fandraisana sy fihainoana dia manana efitra lehibe fanomezana fiofanana sy fanentanana koa ity ivon-toerana ity. Tokony hampiasaina amin’ny tokony ho izy izany efitrano izany ary tsy tokony hiandrasana ela akory.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire