ActualitésTsidika

Hotanterahina ny adina ara-panatanjahan-tena ho an’ny mpianatra hiatrika ny Bacc

Na teo aza ny hamehana ara-pahasalamana nanakatonana ny fampianarana teto Madagasikara, dia tsy natao amabin-javatra ny fampianarana ireo zanaka Malagasy hanala ny fanadinam-panjakana ho amin’ity taona ity. Mikasika manokana ny fanadinam-panjakana Baccalauréat. Hisy ny adina ara-panatanjahan-tena amin’ity taona ity, hoy ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.

Afaka misafidy izay fomba hanatanterahana azy ny mpianatra tsirairay, na am-bava izany na ampiharina. Nilaza ihany anefa ny avy ao amin’izany Minisitera izany fa ny fanatanjahan-tena iombonana no tsy misy ho amin’ity taona ity. Ilaina mialohan’io adina ara-pantanjahan-tena io ihany koa ny valin’ny fitiliana ara-pahasalamana natao. « Tsy afaka miatrika ny adina ara-panatanjahantena ampiharina aho noho ny olana ara-pahasalamana mahazo ahy ka tsy hahafahako manao izany » hoy ny mpianatra mpanala fanadinana iray. Manana ny safidy toy ny isan-taona araka izany ny mpanala fanadinana tsirairay. Hanomboka ny 28 jona izao izany adina ara-panatanjahan-tena izany ho an’ny toerana manodidina ny renivohitra fa manomboka ny 15 jolay kosa raha ho an’Antananarivo manokana ka mandritra ny 15 andro no hamitana izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire