France : Inès Chichot, renim-pianakaviana voalohany lany Miss
Voalohany teo amin’ny tantaran’ny Miss eran’izao tontolo izao no nisy vehivavy efa niteraka lany Miss. I Inès Chichot, 22 taona no mitondra izany anaram-boninahitra izany tamin’ny alalan’ny fahazoany ny satroboninahitry ny fifaninana Miss Alpes du Sud notontosaina tao Digne-les-Bains ny 18 martsa teo.
Afaka mandray anjara amin’ny fifaninana Miss Provence i Inès Chichot aorian’io fahazoany ny amboara io. Raha tafiakatra amin’io fifaninana io indray izy dia mety handray anjara amin’ny fifananana Miss France 2024. Nilaza i Inès Chichot fa azo atao tsara ny fa manan-danja ho azy izany reny voalohany lany Miss izany ary mirehareha izy hoy izy fa nanamarika ny tantara ny fandraisany anjara voalohany tamin’ny fifaninana.
Nanamafy izy fa miaina feno ny mahavehivavy zazy na amin’ny alalan’ny mahareny azy na ny maha-Miss.
