ActualitésTsidika

« Train » nifaoka Starex teo Ankazomanga

Nitrangana lozam-pifamoivozana teo Ankazomanga io maraina io, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany teo ho eo. Fiarandalamby an’ny orin’asa « madarail » no nifaoka fiara « Starex » iray. Tsy nisy ny aina nafoy. Ny tsy fisian’ireo barrage fampijanonana fiara no antony voalohany mahatonga izao lozam-pifamoivozana izao, na dia eo ihany koa aza ny tsy fitandremana ataon’ireo mpitondra fiara.

Niaina mivantana io tranga io i Sariaka : « Tao anaty bus aho, ary nanitsaka teo ambonin’ny lalam-by ilay bus nandehanako sy ilay « Starex » tetsy ankilany. Henoko nampaneno anjomara ilay fiarandalamby, ary nihezaka nihemotra hatrany ilay bus. Torak’hovitra aho, ary tsy nahetsika intsony. Efa saika handona ny valahan’ilay bus mihitsy ilay fiarandalamby. Tsy afaka nihemotra firy anefa ilay « Starex » satria nitohana be ny fifamoivoizana fa ilay bus nandehanako kosa tafihemotra soamantsara ary soa fa tsara « reflexe » ilay mpamily ka afaka nihemotra. Tsy nisy naninona izahay tao anatin’ilay bus ».

Tsy tsara vintana kosa anefa ilay Starex. Simba ny valahan’ny fiara. Tsy nisy kosa ny aina nafoy.

Nathalia Rasoarilala

Laisser un commentaire