SocialTsidika

Firotsahana an-tsitra-po : Feno dimy taona katroka ny fikambana Ank’Izy

Feno dimy taona katroka ny 10 martsa lasa teo ny fikamban’ny mpilatsaka an-tsitra-po « Ankin’ny Hoavy Izy » (Ank’Izy). Fikambanana manohana ireo ankizy eny amin’ny Sekolim-panjakana ny Ank’Izy. Manampy amin’ny fampidirana an-tsekoly ny ankizy sy ny fampiakarana ny lentan’ny fampianarana.

« Mila antsika tanora ireo ankizy indrindra ireo sahirana. Mila antsika hizara hafaliana izy ireo. Dimy taona izay no nisian’ny Fikambanan Ank’Izy niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy. Maimaim-poana avokoa ny hetsika ataonay ho an’ny ankizy eto Madagasikara. Efa miparitaka manerana ny faritra maro eto Madagasikara izy » hoy i Ranoelimanana Dimby, filoha mpanorina ny fikambanana Ank’Izy.

« Mahafinaritra ity fikambanana ity. Tanteraka tokoa ilay hoe sambatra ny manome noho ny mandray. Mahafinaritra ny miaraka amin’ireo tanora mpikambana sy ireo ankizy tolorana hafaliana. Tsy nanenenako ny niditra tato » hoy i Jessica, mpikambana.

Miditra amin’ny sehatra maro ny fikambanana. Manabe ny olona amin’ny alalan’ny fampianarana an-tsekoly izy, fanajana ny tontolo iainana, fanajana ny zon’ny ankizy sy ny maro hafa. Fikambanana tena manampy ny olona tokoa ary mitondra any amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire