Kere: Hanatanteraka programan’asa hanampiana ireo mponina hianjadian’ny Kere any Atsimo ny PAM sy i Madagasikara.
Mbola anatin’ny fanatanterahana ny tetik’asa “titre vert” izay hanolorana masomboly sy fitaovana ary tany ho an’ireo fianakaviana izay vonona hiary hatrany ny fitondram-panjakana amin’izao. Tafiditra amin’izany ihany koa ireo mponina any amin’ny faritra atsimo. Misedra olana anefa ireo mponina any an-toerana noho ny tsy fahampian-drano. Mbola miasa any an-toerana hatrany ny PAM amin’ny fanampiana ireo mponina ka izay no antony hanatanteraha ity programan’asa ity hahafahana manampy ireo mponina mba hahazo vokatra tsara.
“Fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana ity programana’asa ity mba hanampiana ireo mponina ireo. Fanampiana ny isan-tokantrano any an-toerana no natao. Izany dia ny mba hahavitan’ireo mponina ireo tsy hiankin-doha intsony amin’ny fanampiana an-tselika isan-karazany fa mba hihary amin’izay”, hoy ny Tale mpanatanteraka ny PAM eto Madagasikara.
“Hatramin’izay dia olana foana eto aminay ny rano; ilainay mihitsy ny fanampiana sy ny asa mahakasika ny fanarenana ny rano aty aminay satria ny fambolena mila rano, ny fiompiana mila rano, ny olona ihany koa mila rano. Te hanana fahaleovan-tena izahay saingy ny rano no olana ka raha vita izany mety handroso ihany izahay aty Atsimo aty”, hoy i Mana, mponina any Betroka.
Tanjona ho an’ny roa taona manaraka ho an’ny PAM dia ny mba hiala any an-toerana aorian’ny fanolorana fahaleovan-tena ireo mponina any an-toerana. Tsara tohanana izany fandraisana andraikitra izany mba hahafahan’ny Malagasy rehetra mivoatra araka izay hananany. Toetra iray tsara hampianarina ny olona rehetra mba tsy hiandry lava ny tsy misy.
Miora Raharisolo
