Anjeva : Hisy ny hetsika fizarana hafaliana ho an’ireo ankizy sahirana
Hisy ny hetsika fizarana hafaliana ho an’ireo ankizy sahirana ao amin’ny kaomininan Anjeva gara, rahampitso sabotsy 17 Desambra. Hetsika sy lalao maro no ho tanterahina mandritra izany, izay hanomboka amin’ny 9ora maraina ka hatramin’ny 2ora tolok’andro, raha ny voalaza.
“Ho famalifaliana ireo ankizy izay anaty fahasahiranana ato anatin’ny kaominina no hanaovana izao hetsika izao, izay hiarahan manatanteraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy fikambanana isan-tsokajiny. Hisy ny fanabeazana mah olom-banona, ny angan ary ny hira sy kilalao isan-karazany mandritra izay” hoy ireo tomponandraikitra.
“Anisan’ny fotoana tokoa izao hanomezana izay foy sy hanampiana ireo ankizy izay miaina anaty fahasahiranana. Ho avy ny fety ka rariny raha omena hafaliana avokoa ny zaza malagasy rehetra” hoy I Tiavina, mpilatsaka an-tsitra-po amin’ny fiarovana ny zon’ny zaza.
Mandritra izany hetsika izany moa, ankizy sahirana miisa 150 no hisitraka ny hetsika. Hisy ny fizarana fanomezana toy ny kilalao sy ny fizarana sakafo ihany koa mandritra izany.
Manitra Ramanantsoa
