ActualitésTatitra

Europe : Nilaza tsy mahalala ny fomba nahatongavan’ny vola tao an-tranony i Eva Kaili

Raha tsiahivina dia voarohirohy amin’ny raharaha kolikoly miaraka amin’i Qatar sy mpikambana maromaro ao amin’ny parlemanta eropeana i Eva Kaili, filoha lefitry ny parlemanta eropeana. Voampanga nandray vola tsy ara-dalàna na « pot-de-vin » avy tamin’ny Emirat ho an’ny tombotsoan’io firenena io ny tenany.

Nandritra ny fisafoana nataon’ny manam-pahefana tao an-tranon’i Eva Kaili tao Bruxelles ny herinandro lasa teo mantsy dia nahitana kitapo feno vola nitentina 150.000 euros tao an-tranony. Mbola sahy nilaza nefa ny mpisolovavan’io vehivavy io, Michalis Dimitrakopoulos taorian’izany fa tsy meloka ary tsy misy ifandraisany amin’io vola avy any Qatar io i Eva Kaili. Ity farany ihany koa dia nanazava fa tsy mahalala ny fomba nahatongavan’ny vola tao an-tranony.

Ny olotian’io filoha lefitry ny parlemanta eropeana io ihany no afaka mamaly izany fanontaniana izany hoy ny mpisolovavany.

Laisser un commentaire