SocialTatitra

Hong Kong: Fisamborana mpikambana mandala ny demokrasia.

Nanao fanambarana ny polisy any Hong Kong fa mpikambana mpandala ny demokratia miisa 50 no voasambotra ny alahady lasa teo. Voaheloka nandika lalàna momban’ny filaminam-pirenena izay hampiharan’ny fitondrana sinoa any amin’ity tany nozanahan’ny firenena britanika teo alohan ity izy ireto. Voalaza fa mikotrika paik’ady handrodanana izany lalàna izany ireto farany ka niafara tamin’izao fisamborana izao. Nampiarina tany Hong Kong ity lalàna ity ny taona 2019 nohon’ny fanoherana mahery vaika izay nataon’ireto mpandala ny demokratia ireto tamin’izany.Ireto farany izay nanohitra  sy nandà ny fitsabahan’ny sinoa amin’ny adin’ny samy mpiray ao amin’ny firenena. Tsiahivina fa taorian’ny nanjanahan’ny firenena britanika an’i Hong kong, no nandraisan’ny firenena sinoa ny  antsasaky ny fitantanana tany an-toerana. Anton’izany ny fisian’ny krizy politika mafy indrindra nisy teo amin’ny taorian’ny nanjanahana azy.

Laisser un commentaire