France : Voaheloka hiditra amponja i Nicolas Sarkozy.
Voalohany eo amin’ny tantaran’ny Repoblika fahadimy ity. Sazy an-tranomaizina telo taona (sazy mihantona roa taona sy sazy mihatra herintaona) ny filohampirenena teo aloha Nicolas Sarkozy, ny alatsinainy 1 martsa lasa teo, noho ny resaka kolikoly tamin’ny raharaha mikasika ny haino antariby. Ny taona 2014 i Thierry Herzog mpisolovava azy, sy i Nicolas Sarkozy no nanaovana fihainoana antariby. Nicolas Sarkozy sy Thierry Herzog dia efa nanambara fa samy mikasa ny hanao antso avo.
Mihevitra ny fitsarana heloka bevava fa misy ny « fifanarahana kolikoly » teo amin’ny filoha teo aloha, izay efa 66 taona izao, sy i Thierry Herzog ary ilay mpitsara ambony teo aloha Gilbert Azibert, izay samy voaheloka mitovy amin’i Paul Bismuth (anarana nentin’iNicolas Sarközy de Nagy-Bocsa tamin’ny fifampiresahany antariby tamin’i Herzog tamin’ny 2014). Miampy fandraràna tsy hanao ny asan’ny mpisolovava mandritra ny dimy taona koa ny an’i Herzog. Efa niresaka mikasika ity raharaha ity moa ny gazety Tatitra tamin’ny 23 novambra 2020.
https://www.facebook.com/permalink.php?story_fbid=202207201582139&id=134108855058641
