Nanao vaksiny ny mpiasa teo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena
Efa tafiditra amin’ny fanaovam-baksiny ny mponina ao aminy ny firenena rehetra amin’izao fotoana. Ny Vondrona Iraisam-pirenena ho an’ny fahasalamana aza efa nanentana ny mpamokatra vaksiny mba hampitombo ny fanodinana azy. Tsy latsa-danja amin’izany ny firenena Malagasy izay nanomboka ny fanaovam-baksiny ny 12 teo ny fanaovana izany ho an’ny foloalindahy raha ny mpiasan’ny fahasalamana no nisitraka izany alohan’io. Ny fanjakana no nametraka nilamina ny amin’izany ka ireo hita ho laharam-pahamehana tokony hanao azy aloha ny manatanteraka izany. Androany 18 may 2020 izao, tonga nanao vaksiny teny amin’ny Hôpitalin’ny Faritany Miaramila Voalohany Ampahibe ireo miaramila sy sivily miasa ao amin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena miampy ireo avy amin’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety. Misy ny lamina napetraka entina misoroka ny fitangoronana eny an-toerana. Mbola anatin’ny hamehana ara-pahasalamana hatrany isika izao ka izay indrindra no mila fitandremana mandritra ny fanatanterahana ny fanaovam-baksiny. Tsy mitsabo ny aretina akory ny vaksiny fa fiarovana tsy ho azon’ny aretina fotsiny ihany, koa samia malina hatrany.
Nicole Rafalimananjara
