Ny fandrimpahalemana no antokin’ny fampandrosoana.
Ao anatin’ny fanavaozan-drafitra tanteraka ny Tafika Malagasy ankehitriny mba hanatsarana ny lafin’ny fandriam-pahalemana eto amin’ny tany sy ny firenena. Nofoanana araka izany ny faritany Miaramila fahadimy ka niova ho fari-piarovana sy fandriampahalemana Fiherenana sy Mandrare. Tontosa ny alatsinainy 15 Martsa 2021 lasa teo ihany koa tany Toliara ny famindram-pitantanana teo amin’ny kaomandy. Ny jeneraly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo no kaomadin’ny Faritany Miaramila Fahadimy teo aloha. Ny jeneraly Dera Razafindravolamananarivelo Didier kosa no Kaomandin’ny Fari-piarovana sy Fandriampahalemana Fiherenana izay mandrakotra ny Faritra Atsimo andrefana. Ary ny kolonely Abdoul Henri Auguste no voatendry ho Kaomandin’ny Fari-piarovana sy Fandriampahalemana Mandrare izay mandrakotra ny Faritra Anosy sy Androy. Izy ireo noho izany no Kaomandin’ny Fari-piarovana sy Fandriampahalemana vaovao.Miezaka manatsara ny filaminan’ny Tafika ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena mba hampandry fahalemana ny vahoaka izay iadidiny. Hita fa tena miasa sy mihetsiketsika tokoa ity ministera ity amin’izao satria ny fandriam-pahalemana tokoa no tena antokin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Ny tsy fandriam-pahalemana misy eto tokoa no isan’ireo mampikoro fahana ny firenena.
Nicole Rafalimananjara
