PolitiqueTsidika

Miara-manonja : Miova endrika ny fandaharana.

Tsikaritra fa niato kely fandaharana miara-manonja karakarain’ny antoko mpanohitra tatoato.  Mety ho anton’izany ny fanaovana jery todika ny zava-bita nandritran’ny fotoana nisiany. Efa azo lazaina fa maro ihany koa ireo hetsika vita nandritran’izay fotoana izay. Ny vahoaka no misafidy izay fandaharana tiany hohenoina. Tsiahivina mantsy fa manana ny onjam-peo hanehoany ny heviny ihany koa ny antoko manohana ny fitondrana. Masi-mandidy amin’ny heviny araka izany ny olom-pirenena tsirairay ka manana zo hanaraka izay antoko safidiny. Hita mantsy ankehitriny ny fizaran’izany ho roa. Raha tsy hilaza fotsiny ny zava-miseho ny asabotsy 6 martsa 2021 lasa teo. Mbola mijanona ho manan-tsafidy hatrany ny vahoaka Malagasy. Nisy mantsy ny nisafidy ny hihaino ny tatitra nataon’ny solombavambahoakan’ny antoko Tiko Madagasikara; raha tonga nanatrika ny antsam-piderana ho an’ny firenena kosa ny ankamaroan’ny mpomban’ny fitondram-panjakana. Izany rehetra izany no azo hamaritana fa  mizara ho roa lehibe ny ankolafin-kery misy eto amitsika. Ankehitriny, niverina nanao fampahafanatarana ny vahoaka indray ny eo anivon’ny antoko mpanohitra fa hiverina haneho hevitra ao amin’ireo onjam-peo mpanaraka azy. Tsiahivina fa  iharahan’ireo fitambaramben’ny mpanohitra eto Madagasikara ity fandaharana ity. Hisy fiovana kosa anefa izany manomboka izao. Hanome sehatra ho an’ireo vondrona sy ny fikambanana, ny sendikà na ny antoko sy ny vovonana mitovy fomba fijery aminy indray izy ireo amin’izao. Mbola mipetraka eto amin’ny tanin’ny Madagasikara ny fanajàna ny demokrasia ka anjarantsika mpihaino sy mpanaraka ny mamakafaka izay maharesy lahatra antsika.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire