ActualitésTsidika

Tsena Mora : Nisitraka tsena mora ny mponina tao Lazaina

Tontosa ny 19 aprily ny Tsena Mora tao amin’ny fokontany Lazaina, kaominina Anosy Avaratra. Nizotra tam-pilaminana ny fanatanterahana izany.

« Teto amin’ny fokontany Lazaina no natao ny tsena mora. Nilamina tsara izany, nanaraka hatrany ny fandaminana ny mponina. Voahaja ihany koa ny vidiny napetraka » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. « Tena manampy betsaka anay mponina tokoa ity tsena mora ity. Manohana ny sitrany ahay manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana » hoy i Fleurisse, mponina ao Lazaina.

Efa manomboka miparitaka manerana ny fokontany eto Avaradrano ny Tsena Mora. Mamaha amin’ny ampahany ihany amin’ny sosialim-bahoaka ity tetik’asam-panjakana ity. Inona anefa no tena vahaolana maharitra ? 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire