Zava-dehibe ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa.
Natokana ho andro manerantany ho an’ny mpanjifa ny 15 martsa isan-taona. Fihetsika iray tsy mbola hita ho misogadina eto amintsika ny hoe “Ny mpanjifa no mpanjaka!” Mbola betsaka ireo mpivarotra mampiseho ny tsy fahaizana mandray olona. Tsy mifidy izany fomba izany fa hatrany amin’ny tranombarotra lehibe sy mihaja ihany koa ahitana fihetsika miavonavona tahaka izany. Ny sasany indray angahatahana fanazavana misimisy kokoa amin’ny entana arantiny ao aminy zara raha miraika. Tsy misy sitraka mba asetry amin’ny mpanjifa fa ny fikajiana ny entana ho lany sy ny tombombarotra ihany no abahany ao an-tsaina. Tafiditra ao anatin’ny tsy fanajana ny zon’ny mpanjifa ihany koa ny filafila sy fampakarana tampoka ny vidin-javatra tsy amin’ny ahoana. Taratry ny tsy fanajana daholo izany. Santionany ihany amain’ireo mpitranga izany ary isika tsirairay koa samy mahatanisa marobe, raha ity lafiny ity no asian-teny. Raha hikatsaka ny fampandrosoana ny fihariana tokoa anefa isika, tokony hapetraka ho manan-danja ny mpividy. Hadisoana ny tsy mijery afa-tsy ny tontolo manodidina ny entana vokarina. Ilaina dia ilaina ny mifantoka amin’ny mpanjifa izay fototry ny lalam-barotra ka mikaroka ny fomba rehetra hisintonana sy hitazonana ary koa hahafa-po azy. Antsoina hoe “tolotra” ho an’ny mpividy mantsy ny fitambaran’ny entana anananao sy ny fahaiza-mivarotra eo amin’ny fifandraisanana amin’izay kendrena handray azy. Noho izany, tsy tongatonga ho azy akory ny fahombiazana fa mitaky fisongadinan-tsehatra tsar any mpanjifa eo amin’ny raharaham-barotra. Izany indrindra no antony nisian’ny andro manerantany ho an’ny mpanjifa ho fiarovana ny zony. Mbola mijaonona ho mpanjaka ihany aloha izy ireo hatreto na ahoana na ahoana.
Fanilo Rarivoarilala
