ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Efa betsaka ireo tafita tao amin’ny Sekoly Pionnier

Ny sekoly Pionnier no sekoly tsy miankina voalohany tao Ambohimanambola. Efa betsaka ireo mpianatra tao manana toerana ambony eto amin’ny firenena amin’izao.

« Betsaka ny fahatsiarovana tato amin’ity sekoly ity. Tsy vitsy ihany koa ireo mpianatra nivoaka tao. Tena manampy betsaka amin’ny fampiakarana ny lentan’ny fanabeazana ny sekoly tsy miankina » hoy i Holy, mpianatra tao, ary efa mampianatra ankehitriny. « Miara-miasa sy manana anjara toerana lehibe amin’ny fanabeazana ny zanaka Malagasy ny sekoly tsy miankina. Manampy akaiky ny fanjakana izy ireo amin’ny fampisitrahana ny zon’ny ankizy mba hianatra » hoy i Felix, mpahay lalàna.

Asa masina tokoa ny fampianarana noho izy iankinan’ny hoavin’ny firenena iray manontolo. Raha tsy misy ny fanabeazana, hanao ahoana ny firenena ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire