Hankalaza ny faha 90 taonany ny RNM
Rahampitso no hankalazaina eo amin’ny ORTM Anosy ny faha 90 taonan’ny RNM. « Lanonana hanaovana jery todika ny 90 taona nolalovana » hoy ny mpitondra tenin’ny onjam-peo. « Hitarafana ny hoaviny ihany koa » hoy izy hatrany. Hisy tranoheva amin’io fotoana io hampirantiana ny tantaran’ny radio nasionaly Malagasy ary hotokanana min’izany ihany koa ny « Studio » fandraisam-peo vaovao, maoderina kokoa hamaliana ny fankafizan’ny mpihaino ny tantaran’ny onjam-peo. Antony nampitondraina azy ny anarana « Vahindanitra », mpanao sy mpanotra tantara tao amin’ny RNM.
« Ny mari-drefy tena tsara, radio Madagasikara ». Izany no teny faneva entin’izy ireo ankalazana ity faha 90 taonan’ny onjam-peo ity. Natomboka tamin’ny fifaninana sary famantarana sy teny faneva ny hetsika, ka mandrika ny hetsika no hizarana ny lokan’ny mpandresy. Hofaranana amin’ny fampisehoana kosa ny hetsika ary misy tapakila zaraina amin’izany.
Hasina Rasamimanana
