Alasora : Nasiam-panitarana ny kianja filalaovam-baolina ao Ambohimarina
Nasiam-panitarana ny kianja filalaovam-baolina ao amin’ny fokontany Ambohimarina, kaominina Alasora. Ny herinandro lasa teo, nirotsaka teny an-tsehatra nitondra izany asa izany, ny tomponandraikitra.
“Anisan’ny kianja mandray ireo karazana lalao goavana fanao eto amin’ny kaominina ity kianja ity. Ny tomponandraikitra ihany koa amin’izao fotoana dia ao anatin’ny ezaka fanavaozana sy fanarenana, indrindra fanatsarana ireo foto-drafitr’asa ho an’ny fanatanjahan-tena ka zava-dehibe ny fanitarana sy fanamboarana ity kianja iray ity” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“Tena ilaina ny fanamboarana tahaka izao. ity kianja ity izay azo lazaina fa tery kanefa raha ny velan’ny toerana tokony hazaka fifaninana baolina azo lalaovin’olona 11. Ny fandraisana an-tanana tahaka izao dia efa tena zava-dehibe ho an’ny mpilalao baolina kitra” hoy i Fidy, mpankafy baolina kitra.
Marihina moa, fa kianja filalaovana baolina kitra, lalaovin’olona fito ity kianja ity. aorian’izao fanitarana izao, azo heverina ny fanatsarana izany ka mety ho tonga kianja lehibe izany. Ankoatra izany, anisan’ny kianja fanaovan’ny mpianatra fanazara-tena ihany koa izy ity.
