ActualitésTsidika

Asiam-panovana ny lalàna mahakasika ny fananganan-jaza eto Madagasikara

Tanterahina mandritra ny telo andro mifanesy ny atrik’asa handinihina sy hamolavolana ny lalàna mifehy ny fanangana-jaza ety Madagasikara. Ny ivon-toerana « Notre Dame du Cenacle » Amparibe no mampiantrano ny firoviana izay ataon’ny Minisitreran’ny mponina, fiarovana ara-tsosialy ary fampiroboroboana ny vehivavy. Dinihina mandritra izany ireo volavolan-dalàna sy ireo didim-panjakana maamehy izany. Tonga nisolo tena ny avy amin’ny Minisitera nanatrika izany i Andriantsimilao Ano Firaisantsoa, Tale Jeneraly eo amin’ny Minisiteran’ny mponina.

Nifanesy tokoa tato ho ato ny tranga fanarian-janaka sy fanalan-jaza, indrindra ny teo anivon-tany. Misy amin’ireo zaza narian’ny ray aman-dreniny no mbola velon’aina soa aman-tsara noho ny avotra nataon’ireo nanati-maso, toy izay nitranga tany Fianarantsoa, andro vitsy lasa izay. Hampihena sy hampitsaharana izany tranga izany indrindra no antom-pisian’izao dinika izao. « Ho fihahiana ireo zaza sahirana no antom-pisian’ny akany, maro loatra ny zaza mirenireny eny an-dalambe eny, manamaivana ny fahasahirana iainan’ny mponina izahay amin’ny alalan’ny fitaizana ireo zaza sahirana sy tsy misy mpiahy » hoy i Lova, tompon’andraikitra eo amin’ny akany fitaizana zaza kamboty.

« Amiko manokana tsy tokony ekena izany reny manary zanaka izany, eny fa na dia hoe aterina any amin’ny mpitaiza zaza aza. Na toy inona olana sedraina tsy tokony atao antony anariana ny menaky ny aina izany. Tsy mora izany hoe miteraka izany, mangidy no nosedraina nadritra ny sivy volana nitondra azy, tokony efa hampiorim-paka ny fitiavan-janaka izany » hoy i Hary, renim-pianakaviana.

« Goragora izany lalàna izany teo aloha, tsy nisy fanaharaha-maso sy fampiarana ho an’ireo izay mandika lalàna, hanatsarana sy hanamafisan izany no antom-pisian’izao atrik’asa izao. Ho ampiharina avy hatrany ny lalàna lany aorian’izao dinika izao » hoy i Tambiniaina, tompon’andraikitra eo anivo’ny fikambanana miaro ny zon’ny zaza. « Tsy takona afenina intsony ny fahasahiranana mianjady amin’ny Malagasy, misy mihitsy ireo mahavita mamarotra zanaka hahazahoana vola hivelomana. Zary lasa kilalaon’ireo ray aman-dreny izany ankehitriny, koa izany no hanentanana ireo mpisehatra mpamolavola lalàna rehtetra hanamafy ny lalàna mifehy izany » hoy i Manoa, mpahay lalàna.

« Ny fanahy no maha olona ». Takona tanteraka izany amin’izao vanim-potoana izao, Tsy misy mampiavaka azy amin’ny biby izay tsy manam-panahy intsony ny olona izay mahavita manary sy mamono mahafaty zanaka. Ny zanaka no harena, firifiry amin’ireo mpivady tsy afaka miteraka no mandany vola aman-karena hitsaboana vatana hahazoana taranaka handimby, saingy ho an’ireo izay nahazo fanomezam-pahasoavana kosa atao tsinontsinona. Zary lasa fifaninana ratsy eo amin’ny tanora ny fanalan-jaza sy ny fanariana ny dimby sy fara. Fahasambarana tsy roa aman-tany. Tsy azo ambara ho mandroso ny firenena iray raha toa manjaka hatrany ny herisetra atao amin’ireo zaza madinika. Tokony hahazo fitiavana toy ny fitiavan’ny ray aman-dreny ny zaza natsangana, satria efa nekena izany ka raisina ho adidy sy andraikitra.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire