ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Amboarina ny biraon’ny kaominina

Efa manomboka ankehitriny ny tetik’asa ho fanamboarana ny lapan’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, ary haharitra 90 andro ny fanamboarana izany. Miroso amin’ny fandrodanana ny lapan’ny tanàna teo aloha ny orinasa Manohisoa izay nahazo ny tolo-bidy hanatanterahana ny asa.

« Mety hiteraka fikorontanana kely amin’ny manan-draharaha rehetra eto amin’ny Kaominina izao asa izao saingy ao anatin’ny fampandrosoana ny tanànantsika hatrany, koa miala tsiny amin’ny mety ho fanelingelenana » hoy ny Ben’ny tanàna Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Tsy tokony mahamaika ny fanamboarana ny Kaominina satria mbola azo ampiasaina tsara ny trano teo aloha fa ny sekoly izao no tena tokony ampiana fa mijaly ny mpianatra miafy amin’ny efitrano fianarana tery, izay tena ilain’ny vahoaka aloha no hifotorana tahaka ny nataon’ny teo aloha » hoy i Rivo Richard, raim-pianakaviana monina eny Ankadikely.

Niteraka resa-be tokoa izao fananganana izao ka tao ny niteny hoe « aleo ny ben’ny tanàna hiasa fa efa izy no voafidin’ny ankamaroantsika ». Tao kosa ny nilaza fa « raha nisy vola hanaovana izao ihany maninona no tsy izay maha maika aloha no atao fa trano tsy naninona tsy naninona iny ». Ny mpitondra ny tanàna rehetra mihitsy no te hametraka fahatsiarovana nandritra ny fitondrany izay no tena maha maika azy ireo kanefa hamaha ny olan’ny vahoaka no tena nilàna azy. Ilaina ve ny nanamboarana ity lapan’ny tanàna ity ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire