Afaka mandraharaha tsara any amin’ny tontolo ambanivohitra
Maro ny mieritreritra fa any an-drenivohitra no mora iainana kokoa sady mora ahitam-bola hany ka mivangongo sy mitakosona ao ny ankamaroan’ny olona. Ny toerana ambanivohitra anefa sady madio rivotra no malalaka ahafahana mihary sy mandraharaha tsara. Rehefa milamina mantsy ny tontolo manodidina lavitry ny tabataba dia milamina manaraka izany ihany koa ny saina ka afaka mandinika tsara sy an-kalalahana. Mila fandinihana tsara mantsy ny sehatry ny fandraharahana fa tsy sanatria mandeha an-jambany fotsiny. Inona anefa ny zava-misy any ambanivohitra ?
Tadidio fa any ambanivohitra no mipoitra ny akora fototra ary any andrenivohitra no amidy sy haparitaka ary hahodina izany avy eo. Inona ny olana raha any no manodina satria efa any ihany ny akora fanodina ? Inona no misy any ? Inona no azo anodinana azy ? Mitady ny lalam-barotra sisa avy eo ary eo no ilàna ny fifandraisana na ny « réseaux ». Seha-pihariana maro no azo velarina any ary orinasa maro ihany koa no azo atsangana any saingy mila mahay miketrika ny toe-tany izay mifanaraka amin’ny vokatra mety aminy, ny tontolo manodidina.
Betsaka ihany koa ny azo atao any toy ny fanokafana ny sehatry ny famoronana toy ny asa tanana, ny zava-kanto maro samihafa. Ny any ambanivohitra aza no tsara kokoa ny miaina sy mandraharaha noho ny any ahitana filaminan-tsaina no sady mora ny fiainana any satria mamboly isika dia afaka mihinana raha toa ka tsy maintsy mividy foana isika rehefa eto an-drenivohitra.
Nicole Rafalimananjara
