ActualitésTatitra

Etats-Unis : Vehivavy nigadra 4 andro fa nanatona « ours » akaiky loatra

Nigadra 4 andro ary nandoha honitra 1 000 dollars i Samantha Dehring, 25 taona noho ny fanantonana « ours » sy ny zanany akaiky loatra tao amin’ny valan-java-boahary Yellowstone. Nanatona « grizzly » latsaky ny 91 metatra (100 yards) izy raha ny fanazavan’ny mpampanoa lalàna federalin’i Wyoming ny alakamisy teo. Marihina fa voarara ao an-toerana ny manantona ny « ours » latsak’io refy io, voarara ihany koa ny manatona latsaky ny 23 metatra ireo biby lehibe hafa.

Tsy « zoo » ity valan-java-boahary Yellowstone ity hoy ireo tompon’andraikitra ary mirenireny ankahalalahana ireo bibidia ka tsy tokony hisy handika io fepetra efa nomena io mihitsy.

Laisser un commentaire