ActualitésTsidika

Faly amin’ny fisokafan’ny sisintany ny mpandraharaha

Ela no niandrasan’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ity fanapahan-kevitra ity, nivaly ihany ny fangatahana ankehitriny. Nandritra ny fivoriamben’ny Minisitra izay notanterahina tao amin’ny lapa-panjakana Iavoloha farany teo no naneken’ireo Minisitra isan-tsokajiny ny idy aman-dalàna amin’ny hisokafan’ny sisintany indray. Fantatra noho izany fa ny 23 oktobra ho avy izao no hiverin handray ny asany indray ireo mpisehetra raha toa ka nitsahatra tamin’ny asany nandritra ny herin-taona mahery. Ireo sidina mampitohy an’i Madagasikara sy ireo Nosy manodidina ny ranomasim-be Indiana no hisokatra amin’io daty io, raha toa ka ny 06 novambra ho avy izao ny sidina mampitohy an’i Madagasikara sy Eropa.

Tsihahivina fa efa maro ireo fiofanana mahakasika ny fiarovana amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina narahin’ireo mpisehatra. Efa nahazo fankatoavana tamin’ny fikambanana iraisam-pirenena mahakasika ny fahafenoana ireo fepetra ara-pahasalamana raha tsihahivina.

« Misaotra ireo tompon’andraikitra amin’ny nanekeny hanokatra indray ny sisintany, manasa ireo mpisehatra rehetra hanaraka hatrany ireo fepetra napetraka ho an’ny tombotsoan’ny rehetra » hoy i Faniry, mpisera dia.

« Inoana ve ny tsy hiparitahan’ny aretina ? Tsy takiana amin’ny fepetra amin’ireo mpizaha tany vahiny ny fahavitan’izy ireo vaksiny » hoy i Tiana, mpianatra mahakasika ny fizahantany. « Tsy maintsy manao fihibohana roa androireo vahiny tonga eto Madagasikara, mandrapivalin’ny fitiliana PCR. Raha mihiba ny valin’ny fitiliana afaka mivoaka avy hatrany, raha mihabo kosa dia tsy maintsy manao fihibohana manitra ny efatra amby folo andro » hoy i Patrick, tompon’andraikitra eo amin’ny Minisiteran’ny fitaterana.

Anisan’ireo sehetra nitondra takaitra goavana tamin’ny fidiran’ny valan’aretina covid-19 ny sehatry ny fizahantany noho ny fikatonan’ny sisintany sy ny fijanonan’ny sidina anatiny. Manampy betsaka amin’ny fanarenana ny toe-karenan’i Madagasikara izao fisokafan’ny sisintany izao indray, tombosoa maro no azon’ny firenena manoloana ny fandraisana mpizaha tany vahiny raha tsy hilaza hafa tsy ny fifanakalozana ara-barotra fotsiny ihany. Eo ihany koa ny hampiverenana indray ny lazan’ny asa tanana Malagasy manerana ny firenena rehetra amin’ny alalan’ny fanondranana entana. Inoana sy antenaina amin’ireo mpisehatra ny hanajany tanteraka ireo fepetra ara-pahasalamana, ain’ny vahoaka Malagasy manontolo no eo an-tanany. Voka-tsoa ho an’ny toe-karena sa loza ho an’ny firenena ny fisokafan’ny sisintany ?

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire