ActualitésTatitra

Etats-Unis : Inona moa ny « bouche-à-bouche » ?

Ny « ventilation artificielle » dia mamondrona ireo fomba atao amin’ny vonjy taitra (premiers secours) sy ny fitsaboana (anesthésie-réanimation). Ampiasaina hanomezana rivotra ny havokavokin’ny olona iray sendra tapaka fofon’aina na sahirana miaina izany. Tafiditra ao amin’ny RCP (réanimation cardiopulmonaire) ny « ventilation artificielle ». Ampiasaina amin’ny fijanon’ny fitempon’ny fo, fanapoizinana ary filetehana an-drano sns izany.

Ny mpitsabo Peter Safar no rain’ny « ventilation artificielle ». Nanoratra boky nitondra ny lohateny hoe « ABC of resuscitation » izy ny taona 1957. Midika hoe « Airways » (lalan-drivotra) ny A amin’izany, « Breathing » (fisefoana) ny B ary « Circulation » (fikorian’ny rà) ny C.

Laisser un commentaire